an image

Mpiasa 280 eo anivon地y Ministeran地y serasera malagasy no notolorana mariboninahitra noho ny asa vitany. Ny Alakamisy 20 martsa 2014 no notanterahina ny lanonana fanolorana izany, izay niarahan地y fianakaviambe ny ministera ahitana ny ORTM, TVM, RNM, DIT, ANTA, CEFOM, sy ny mpandraharaha eo anivon地y Ministera foibe . Nisy ny notolorana ny Grand Officier de l丹rdre National, ny Officier sy ny Chevalier de l丹rdre National ary ny M馘aille de Travail isan稚sokajiny.
Maro tamin段reo notolorana mariboninahitra ireo no niasa teto anivon地y Televiziona Malagasy nandritra ny 30 taona no mihoatra ary namela mamy ho an段ty fahitalavim-pirenena ity. Misy no efa misotro ronono amin段zy ireo, eo koa nefa ireo mbola manohy hatrany ny asany. Eo ireo mpanao gazety nahafantaran地y mpijery izany Tvm izany. Maro koa nefa ireo teknisianina izay tsy dia fantatry ny mpijery loatra nefa manome ny fahaizany sy ny herimpony hanatsarana hatrany ny fampitana ny sary sy ny feo ho any an-tokatrano tsirairay any. Eo koa ireo mpandraharaha mampiodina ny asa aman-draharaha rehetra eo anivon段ty orinasam-panjakana ity.
Niverimberina ny hoe ォ fampitana traikefa サ eo amin段reo zokiolona sy ireo tanora marobe manohy ny asa ankehitriny . Fiarahana miezaka eo amin地y fanatsarana hanomezana fahafaham-po ho an地y mpijery ny fahitalavitra no ho tohizana. Ny tanjona amin段zany dia tsy miova, dia ny hanabe, hapita vaovao ary ny hampiala voly ny malagasy maneran-tany, ary ny hametraka ny Televiziona Malagasy eo amin地y toerana medrika azy amin地y maha fahitalavim-pirenena azy.